Notolorana mari-pahaizana ny faran’ny herinandro teo, ireo manampahaizana manokana momba ny areti-mifindra, rehefa nahavita fianarana sy fandalinana mahakasika izany. Hisahana ny fitiliana sy fandraisana an-tanana ary fisorohana sy famaliana amin’ny fomba mahomby kokoa ny hamehana ara-pahasalamana mikasika ny karazan’areti-mifindra izy ireo.
Efa nahita trangan’aretina lefakozatra tsy voatily maherin’ny 130 izy ireo tao anatin’ny fiofanana. Zaza 16 500 ihany koa no fantatra fa tsy nahavita vaksiny feno. Efa nanadihady ireo tsy fetezana teo amin’ny angondrakitra ara-pahasalamana mba hanatsarana ny vokatra ireo mpiasan’ny fahasalamana vao nahazo diplaoma ireo.
Efa misy 37 mianadahy ihany koa manaraka fiofanana mandritra ny 12 herinandro izay hivoaka tsy ho ela ao anatin’ilay Fandaharanasa maneran-tany momba ny fianarana mitily ireo areti-mifindra eny ifotony (FETP). Marihina fa vatsian’ny foibe Amerikanina momba ny fanaraha-maso sy ny fisorohana ny aretina (CDC) sy ny PMI ara-bola ny fanofanana rehetra.
Tonga nizara ny mari-pahazaiana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ny mpanolotsaina maharitra avy ao amin’ny CDC, Anna Bowen. Miara-miasa amin’ny fitiliana ireo tranga an-jatony ahina amin’ny lefakozatra ny minisitera sy ny CDC.
Tatiana A