Fampisakafoana an-tsekoly: mandrisika ny mpianatra tsy hiala an-daharana

1 200 000 no isan’ny ankizy mahazo tohana sakafao any an-tsekoly. Mampazoto  ny mpianatra  hilofo bebe kokoa izany, andaniny. Mampiroborobo ny varotra anatiny, ankilany. 

Hampitomboina 10% isan-taona ny isan’ny mpianatra hisitraka ny sakafo any an-dakilasy, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle, omaly, teny Ivandry. 1 200 000 amin’izao fotoana ny mpianatra mahazo sakafo isan’andro any an-tsekoly mandritra ny taom-pianarana ary efa misakafo daholo any am-pianarana ny mpianatra rehetra (EPP- CEG ary ny lycée) ho an’ny faritra Androy sy Anosy. Hoezahina hitarina amin’ny kaominina mbola ahitana fianakaviana marefo ny tolotra ohatra, ny faritra Atsimo Andrefana sy Atsimo Atsinanana, araka ny fanazavany ihany, nandritra ny zaikabe nasionaly momba ny fampisakafoana an-tsekoly natomboka omaly. Ankoatra ny fiakaran’ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly noho ny fisian’ny sakafo zaraina isaky ny atoandro, miroborobo koa ny varotra anatiny satria eny ifotony no mividy ny akora fototra ampiasaina ny mpahandro sakafo ary ny farimbon’ezaka ho fampandrosoana ny fanabeazana ifotony  (FEFFI) misy ny ray aman-dreny no mitantana ny vola hividianana ny sakafo ho an’ny mpianatra. Nampitomboina koa ny sorabola ho an’ny sakafo an-tsekoly, efa tafakatra 18 miliara Ar izany ankehitriny fa ataon’ny fanjakana laharam-pahamehana ny fampitomboana ny ankizy hahazo sakafo. Manohana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fampisakafoana an-tsekoly ny mpianatra ny minisiteran’ny Fambolena ary ny mpiray ombon’antoka toy ny PAM- Unicef- FAO…

Hiditra amin’ny « Coalition globale sur l’alimentation scolaire » koa i Madagasikara amin’ity taona ity ahafahana mampirindra ny fandaharanasa fampisakafoana an-tsekoly. Hizara ny traikefany koa ho an’ny firenena hafa efa mampihatra izany any aminy isika.

Vonjy A.

Partager sur: