Nanomboka niditra an-tsekoly omaly ireo mpianatra, hiatrika ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Miverina amin’ny fifantohana sy fahamatorana amin’izay manomboka eo. Misy amin’ireo sekoly sasany toy ny sekolim-pinoana mbola amin’ny herinandro ambony vao tena miverina an-dakilasy ny mpianatra.
Fandraisana ireo mpianatra no tena hatao amin’ity herinandro ity, fanakaikezana sy fifankafantaran’ny mpampianatra sy ny samy mpianatra. Fanazarana ireo ankizy madinika ny toeram-pianarana sy ny manodidina izay tena manavao azy ireo ihany koa, raha ny fanazavana nomen’ny mpampianatra. Amin’ny herinandro ambony vao tena manomboka ny tena fianarana sy ny lesona
Marihina fa notazomina ho isaky ny roa volana ny fizaram-potoana mandritra ny taom-pianarana, araka ny tapaky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Haharitra 7 herinandro, araka izany, ny andiany voalohany amin’ny fampianarana ka any amin’ny 28 oktobra hatramin’ny 5 novambra indray vao hisy fiatoana kely ho an’ny fialantsasatry ny Toussaint.
Tatiana A