Fandraharahana: hanome tohana 450 000 dolara ny BAD

Ho mafy orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpandraharaha, amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Business Linkage Program (BLP)” eto Madagasikara. Io ny tanjon’ny Banque Africaine de développement (BAD) sy ny BNI Madagascar. Mifototra amin’ny tosika sy  fifandraisan’ny PME ary ny orinasa vaventy ny tetikasa. Araka izany, manome tohana mitentina 450 000dolara ho an’ireo  mpandraharaha madinika (PME) 300 isa nisoratra anarana ny BAD hoenti-manatanteraka ny fandaharanasa.  Misy anefa ny sivana apetraky ny BLP amin’izany, tsy maintsy orinasa niorina nihoatra ny roa taona mahery sy manana tetibola latsaky ny 600 tapitrisa Ar.

Voafidy manokana amin’izao fiaraha-miasa izao ny BNI Madagascar noho izy mitantsoroka hatrany ireo mpandraharaha madinika. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny seha-piaharian’ny mpandraharaha samihafa.

Hanampy amin’ny fahazoana famatsiam-bola ny BLP. Hahazo tombontsoa avy amin’ny BNI Madagascar ihany koa ireo mpandraharaha madinika. Tanjona ny hampiroborobo ny seha-piaharian’ireo PME amin’ny alalan’ny famoronan’asa sy fampandrosoana ny toekarena maharitra eto amin’ny firenena.

Henintsoa H.

Partager sur: