Niampy isa ny mpiasam-panjakana ambony. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 1 septambra teo, ny nisalotra ny anarana hoe “Mahitsi”, tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana mpitantana raharaham-panjakana eto Madagasikara (Enam). Miisa 105 izy ireo, niofana nandritra ny roa taona (2021-2023), tamin’ny sampam-pianarana, fitantanana ny fizaram-paritra (administration territoriale), ny fitantanana raharaham-bahoaka (gestion publique), ny tsenambaro-panjakana (marché publique) ary ny fitantanana raharaham-panjakana ankapobeny (administration générale).
Nahazo ny naoty tena tsara (très bien) sy tsara (bien) avokoa izy ireo. Efa mpiasa teny amin’ny minisitera na rantsa-mangaikan’ny minisitera ny 88%-n’ny mpiofana, ary tany amin’ny tsy miankina ny ambiny. 29 taona ny zandriny indrindra raha 51 taona ny zokiny indirindra.
Hiasa mahitsy
Nilaza ny Reny mpiahy ity andiany Mahitsi ity, ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rtoa Rabarinirinarison Hasimbelo, fa “ambony amiko ny miara-miasa amin’ny olom-banona, manam-pahaizana ary mahitsy. ….Tsy misy firenena mandroso raha tsy misy ny fampianarana tsara. Fanetribe mamotika ny firenena ny kolikoly.Koa, maniraka anareo aho, hiasa mahitsy ary asehoy fa mendrika ianareo”. Ray mpiahy ny andiany Mahitsi koa ny minisitry ny Hay Tao, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, Razafindramalo Tahiana.
Njaka A.