Indray mijery

Manome vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa 5 i Algerie  amin’ny taom-pianarana 2022-2023. Natao ho an’ireo te handalina ny siansa momba ny fitsaboana biby sy ny siansa momba ny zavaboahary izany . Natao indrindra ho an’ireo vao nahazo ny diplaoma bakalorea farany teo.

Efa misokatra ny fangatahana vatsim-pianarana ho an’izay maniry ny hianatra any Qatar, amin’ny taom-pianarana 2024-2025 ho avy izao. Tsy hifarana raha tsy ny 5 oktobra izao ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’izay te-hisitraka izany. Ho fantatra ny 28 desambra ho avy izao ny mpianatra voafantina, mendrika hahazo izany.

 Nampitomboina ho 1000 ora ny fampianarana amin’ity taom-pianarana vaovao ity, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, omaly, teny Ivandry. Tsy nisy fanovana goavana kosa ny fandaharam-pianarana. Voatazona avokoa ireo sampana vaovao rehetra nampidirina farany. Efa hampiharina ny fikarakarana ny karaman’ny mpiasa amin’ny haikajy mirindra.

Mbola mitohy ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, 60% amin’ny mpianatra tokony hanaraka fampianarana no efa nahavita izany. Nohamoraina ny fombafomba ka afaka mandoa ny sorabola feno mandritra ny taom-pianarana ireo mbola sahirana amin’ny hoenti-manana.

Partager sur: