Kitra – Fifanintsanana «Can 2024»: Mpilalao vaovao roa nantsoina hanatevina ny Barea

22 ireo mpilalao nantsoin’ny Me Rôrô, mpanazatra ny Barea, hiatrika ny lalao hikatrohana amin’ny Palança Negras-n’i Angola, eo amin’ny fifanintsanana ny “Can 2023”. Miisa 2 ireo vaovao hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy.

Niantso mpilalao vaovao 2 i Rôrô, mpanazatra ny Barea, amin’ny lalao miverina hifandonana amin’ny Palança Negras-n’i Angola eo amin’ny fifanintsanana ny “Can 2023”. Anisan’izany, i Fortun Titouan Safidy, vodilaharana ao amin’ny FC Nantes sy i Feron Gianni avy amin’ny US Torcy.

Ankoatra izay, tsy ao anaty lisitra i Ando Manoelantsoa, milalao atsy La Réunion. Mbola hita ao  amin’ny Barea daholo kosa i Loïc Lapoussin sy i Bertrand Dorian ary i Arnaud, hanatevina ny lohalaharana. Miisa 3 ny mpiandry tsatoby, i Nina sy i Melvin ary i Allan, tao amin’ny Barea U23. Tsy ao anaty lisitra i El Hadary, i Boyer sy Ramalingom ary i Hakim.

Tsiahivina fa hatao ny alakamisy ho avy izao ny lalaon’ny roa tonta, ao amin’ny kianja Estadio de 11 de Novembro.

Tompondaka

Partager sur: