Mafana…mafana !

Vita izay ny lalaon’ny Nosy. Nafotaka ny fifaninanana. Tsy an-kitsitsy fa tsy maintsy natao izay nadrombahana ny fandresena tamin’ny fomba rehetra. Samy mba te hanandratra avo ny zava-bitany sy ny firenena niaviny ihany koa. Iza tokoa ny olompirenena ka manam-panahy no tsy hiady ho an’ny tanindrazany ? Nabaribarin’ny atleta sy ireo delegasiona rehetra nandray anjara izany, nandritra ny folo andro. Ampy nanaovana tombana mba ho fakan-tahaka.

Mitohy ny lalao eto Madagasikara! Lalao hafa tanteraka saingy hitarafana izay fitiavan-tanindrazana izay. Tsy mijanona ho an’ny mpanao politika fa ho an’ny vahoaka tsy an-kanavaka. Andaniny, ireto milaza fa kandidà sy ny mpanohana azy. Mba tena fitiavana an’ilay firenena sy fitsinjovana ny mpiray tanindrazana tokoa anie no mampirisika anareo hisisika mafy ireo. Mba hanjaka ny fifanajana amin’ny sokajy sy ny antanan-tohatra rehetra. Mba tsy ho mpanenji-dresy na sakaizan’ny mpandresy ka mamadika.

Ankilany, ny Malagasy tsivakivolo. Tompon’ny teny farany amin’ny safidy. Mba ho olompirenena tomponandraikitra fa tsy ilay voarebirebin’ny vary iray kapoaka sy ny menaka iray boaty « madco ». Fotoana izao hahatongavan-tsaina, amin’ny fahaizana misafidy izay hanankinana ny fanavotana ity firenena ity sy ny isan-tokantrano. Marina aleo maty rahampitso toy izay anio, sitran’ny ahay vaza-mihetsika, hoy ny fiteny kanefa dia izay indray manokona ve no hanaovana antoka ny ho avy.

Mila maka ny tandrify azy avokoa ny mpitsehatra rehetra amin’ny fifidianana ho avy io. Tsy tokony ho mandrimandry manana aretina. Mafampana rahateo ny raharaham-pirenena. Mandeha ny fifandrefesan-kery sy ny fifampitsapana amin’ny vola ary ny ny fanabadoana faobe. Tsy misy tompon’ny ampitso anefa. Masina rahateo i Madagasikara ary mbola manan-kasina ny herin’ny fanahy. Misy foana ny singam-bolo mety handavo ny vositra raha tsy mailo. Mila mailo fa mamay ny tanàna !

r.r

Partager sur: