Nidoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Miarinarivo, ny zoma teo, ny tambajotran-jiolahy malaza ratsy amin’ny halatra taolam-paty ao Miarinarivo. Taolam-paty iray gony no tratra tany amin’izy ireo nandritra ny fampandrian-tany nataon’ireo miaramila ao amin’ny fari-piarovana sy Filaminana Tsiafajavona. Sarona tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana Itasy, ny sabotsy 26 aogositra 2023, ry zalahy ireto. Araka ny tatitra voarain’ny miaramila, misy olona ahiahiana manao varotra maika momba ny taolam-paty. Nametraka ny vela-pandrika sy niara-niasa tamin’ny fokonolona tao an-tanàna ireo miaramila. Nahitam-bokany izany satria tratra tao amina tokantranona raim-pianakaviana iray ao Trondromainty, fokontany Miaramandroso Tamponala, ny taolam-paty iray gony. Hita tao koa ireo olon-dratsy miaraka amin’ireo mpiray tsikombakomba, ny alahady 27 aogositra 2023. Natolotra ny zandary izy ireo mba hanohizana ny fanadihadiana ka izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja izao.
J.C