Maty tsy tra-drano ny tovolahy vao 23 taona, afakomaly. Nandona kamiao ny “scooter” notaingenany, araka ny fanambaran’ny zandary. Vaky ny lohany, potika ny fananany.
Namoy ny ainy ny mpitandro moto “scooter” iray tao Andranomandry, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina ambanivohitra Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Avy any Ambohimalaza izy. “ Nandeha mafy anefa izy ka nifatratra tamin’ny riran’ny kamiao nifanena taminy, teo amin’ny RN2, Pk 12+60. “Nipitika ny moto nentiny ary lavo tamin’ny tany ny olona nitondra. Tsy tanà ny ainy satria vaky tanteraka ny lohany. 23 taona ilay tra-doza ary efa manan-janaka iray”, hoy ny kaomandin’ny zana-tobim-paritra Ambohimangakely. Nidina ifotony nizaha ny razana ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII niaraka tamin’ny zandarimaria. Notanana atao andrimaso eo anivon’ny zandary ny mpamilin’ny kamiao. Tsiahivina, mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana mahazo ireo mpitondra moto noho ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandremana.
Olona roa hafa maty
Ankilany, maty tsy tra-drano ny vehivavy roa tao anaty fiara 4×4 tra-doza, teny amin’ny RN1, Pk 08+350 teo Antanimenabe, kaominina Ampitatafika, afakomaly. Avy namonjy lanonam-pianakaviana tany Antsirabe izy ireo. Nivoaka ny arabe tampoka ny fiara. Nivadibadika izany ka lasibatra ireo fito mianaka tao anatiny. Vokany, namoy ny ainy ny renim-pianakaviana roa. Olona iray naratra mafy ka nentina namonjy toeram-pitsaboana. Nisy zaza niaraka tamin’izy ireo saingy tsy nahina ny fahasalamany. “Vokatry ny harerahana sy ny tsy fahampian’ny torimaso nandritra ny fety sy ny lalana no ahina niteraka ny loza”, araka ny fanamafisan’ny zandary mpanao famotorana. Notsindrin’ny zandarimaria fa tokony hajanona ny fitondrana fiara rehefa mahatsapa vizana. Tsy natao hifanenjehana ny arabe ka ilaina ny familiana am-pilaminana hisorohana ny loza.
Tsiferana R.