Orinasa Ambatovy: nanolotra jiro miisa 375 

Nisitraka hazavana sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny kaominina manodidina ny ozinin’ny orinasa Ambatovy ao Toamasina. Tamin’ny volana jolay teo, jiro mandeha amin’ny masoandro 375 no nomen’ny orinasa ho an’ireo fianakaviana monina ao amin’ny kaominina Fanandrahana, Amboditandroroho ary Toamasina Suburbaine. Ireto farany izay samy manodidina an’ity orinasa goavana ity avokoa. Mahatratra hatramin’ny 217 tapitrisa Ar mahery ity fanomezana ity ary tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny orinasa rahateo ny fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina ao anatin’ny faritra iasany.

Manàna tanjaka 20W 16V ireo jiro nozaraina, misy ny boaty kely mampandeha azy, vatoaratra vita amin’ny lithium- NCM-56Wh, jiro amin’ny valindrihana miisa efatra ary jiro

mirehitra ho azy rehefa lalovana, ny “kit” tsirairay avy. Ankoatra izay nisitraka radio avy amin’ny mpamatsy fitaovana ihany koa ireo fokonolona avy amin’ireo kaominina voalaza etsy ambony.

Henintsoa H.

Partager sur: