Tsy mitsaha-misonga: tafakatra 3 100 ny kilaon’ny vary gasy

Mipaka amin’isan-tokantrano ny fiakaran’ny vidin-entana eny an-tsena indrindra amin’ireo filana andavanandro. Ho sarotra ny fitantanam-bola amin’izao fidiran’ny mpianatra izao sy amin’ny fotoan’ny maitsoahitra.

 Mampikaikaika ny maro ny vidim-bary amin’izao. Tao anatin’ny fotoana vitsy, tsy mitsaha-misondrotra ny vidin’ny vary gasy, ny “stock” ary ny “riz de luxe”. Ankehitriny, mahatratra hatramin’ny 3 100Ar ny kilaon’ny vary gasy eny amin’ny mpaninjara. Niakatra ho 3 100Ar ihany koa ny kilaon’ny vary nafarana “riz de luxe”, raha mbola 2 900 Ar ny vary “stock”. “Misy fiantraikany betsaka eo amin’ny tsena sy ny fanjifana izao fiakaran’ny vidim-bary izao. Mampihena ny kilao vidiany avokoa ny mpanjifa, ny tsena tsy mandeha”, hoy i Haja, mpivaro-bary etsy Behoririka. Manodidina ny 300 ka hatramin’ny 500Ar ny fiakaran’ny vidim-bary. Teo aloha jifaina 2 500Ar ny kilaon’ny vary “stock”,  amin’izao niakatra ho 2 900Ar izany. Vidina 150 000Ar ny gonim-bary 50 kg amin’ny vary “stock” raha mahatratra hatramin’ny 155 000Ar kosa ny vidina vary gasy 50 kg sy ny gonina “stock”. Anisan’ny mampiakatra ny vidim-bary ny haratsin’ny lalana sy ny vidim-bary eny am-potony. Ao Manalalondo, lasa 2 100Ar ny kilaon’ny vary akotry raha toa ka 1 700Ar izany teo aloha.

Mitotongana

Nahitana fiakarany ny vidim-bary nanomboka ny volana aogositra teo. “Vitsy ny vary nafarana, vitsy ihany koa ny manana azy eny an-tsena. Antony nahatonga ny fisondrotan’ny vidiny izany”, hoy ny fanazavan’ i Thérèse, mpaninjara vary etsy Antanimena.

Midina ny sandam-bola ariary, nanapa-kevitra tsy hanondrana vary intsony koa ny firenena Indiana fa itazona ny vokatr’izy ireo.

Samy mametra-panontaniana ny ho vidim-bary amin’ny fotoan’ny maitsoahitra, izay hanomboka ny volana novambra, ny rehetra. “Manahy aho sao hiakatra hatramin’ny 5 000Ar ny kilaom-bary raha izao no mitohy”, hoy ny fitarainan’ny raim-pianakaviana iray. Notohizany fa voatery mampihena ny fandaniana isan’andro ny ankohonany amin’izao fiakaran’ny vidim-bary izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: