Hivoaka ny 8 septambra 2023, ny rakikira “Tsy revin-gadra intsony”, an’i Johasina, Ahitana hira sivy. Hisy ny azo jerena any anaty tambatsera vaovao ary hisy ny azo jifaina mivantana amin’ny alalan’ny kapila mangirana sy ny USB. « Azo antoka fa mahatsapa izany faniriana izany isika rehetra mba tsy hahafaty ireo fotoana mahafinaritra sy hisambotra ny fotoana tsara indrindra amin’ny fiainantsika , mba hitahiry azy ireo mandrakizay », hoy i Johasina, raha nanambara ny momba ity vokatra ity.
Masaka ny nahandro, rehefa ela nikononkononina. Hivoaka ny rakikira voalohany ho azy. Hisy ihany koa ny fampisehoana maro atao eto an-toerana sy any ivelany, entina mampahafantatra izany rakikira izany. Maro ny hira efa novokarin’i Johasina, niangaliny ny gadona “Afro-américain”. Anisan’izany ny “Fahatsiarovana”, “Aza mangarika”, “Omeo fijery mamy”… Nisy ihany koa ny niarahany tamin’ny mpihira hafa. Anisan’ny “Revin-gadra” niarahany tamin’i Arison Vonjy, ny “Fitia tsotra”, niarahany tamin’ny Jaws Bands…
Anisan’ny mpahay kanto mpihira manana ny maha izy azy i Johasina, na dia vao nisandratra aza. Ankoatra ny maha mpamorona azy mantsy dia mpandrindra ihany koa izy. “Manomboka amin’ny faniriana, mitohy amin’ny ezaka miaraka amin’ny tsy fahombiazana matetika. Mitsangana hatrany anefa isika ary manohy miasa mandra-pahatonga any amin’ny tanjona tiana ahatongavana”, hoy i Johasina.
Lin