Anisan’ny mampiodina ny toekarena malagasy ny fanondranana volamena sy ny fampodiana vola vahiny azo avy amin’izany. Misokatra ny fanondrana saingy misy ny fepetra tsy maintsy arahina.
Nanambara ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa efa misokatra ny fangatahana fahazoan-dalana hanondrana any ivelany. Maromaro ny fepetra arahina hahazoana izany. Misy ny bokin’andraikitra tsy maintsy hajaina. Toy ny fanajana ny tontolo iainana sy ny maha olombelona ho an’ny mpitrandraka, ohatra. Notsindrin’ny minisitra fa tsy maintsy manao fanekena ny mpanondrana hampody ny vola vahiny, satria io no tena lesoka tany aloha. Maha tratra 11 t ny volamena naondrana tany aloha. Nefa tsy nisy nampody ny vola ireo mpandraharaha. Marihina fa miovaova ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ny dolara. Manodidina ny 60 tapitrisa dolara ny sandan’io 11 t tsy nampodiana teto Madagasikara io.
Renivola 50 tapitrisa Ar
Miantraika any amin’ny toekarena ankapobeny izany, ka nahatratra 870 tapitrisa dolara ny fatiantoka ara-barotr’i Madagasikara, ny taona 2022. Ao anatin’io ny lalam-pihariana volamena. Manampy ireo, fepetra vaovao takina koa ny renivola ampiasain’ny mpandraharaha, ferana ho tsy latsaky ny 50 tapitrisa Ar, raha 1 tapitrisa Ar tany aloha. Tanjona ny hanondranana volamena 10 t isan-taona. Tsy maintsy tafaverina eto Madagasikara ny vola vahiny ao anatin’ny 60 andro raha 90 andro tany aloha.
Njaka A