Nahazo vato 8 tamin’ny ireo ligy14 (Analamanga, Boeny, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Betsiboka, Itasy, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Menabe, Atsimo Atsinanana, Androy, Fitovinany) tonga nifidy omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, Raharimalala Léa. Araka izany, izy indray no hitantana ny Federasiona malagasin’ny taranja Volley-ball (FMVB).
Nahazo vato dimy, Ranaivoson Mamy, kandidà mpifaninana taminy raha toa ka nisy vato maty iray nandritra ny fifidianana. Tsy afaka nifidy ny Ligin’Ihorombe sy Anosy noho izy ireo tsy mbola nahavita fifidianana. Nambaran-dRaharimalala Léa, filoha vaovaon’ny FMVB fa hatao mangarahara ny fitantanana ary hitrandraka ireo atleta tanora manerana ny faritra izy ireo. Manana vina ny hanisy fifaninanam-pirenena manomboka amin’ny latsaky ny 12 taona, ity lehiben’ny FMVB ity.
Ankoatra izay, nilaza ity filoha ity fa hamafisina ny filalaovana ny beach-volley, hasiana avokoa any amin’ireo ligim-paritra eto Madagasikara..
Tsiahivina, vehivavy mpilalao volley nanana ny naha izy azy i Léa, tamin’ny fotoan’androny, tao amin’ny AST. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena nandritra ny taona maro, tamin’izany no nahazony medaly volamena roa tamin’ny Lalaon’ny Nosy 1985 sy 1990, medaly volafotsy kosa no azon’izy ireo tamin’ny 1993.
Fitia