Ambatomaro : fiarabe nibahan-dalana, niteraka korontana

Raikitra ny savorovoro teo amin’ny mponina sy ny mpiasa mpamilina fiarabe iray nibahan-dalana vavahadin’olona teny Ambatomaro, oma­ly. Manao asa ao amina orinasa iray eny an-toerana ity fiarabe ity saingy tsy misy toerana afaka hijanonany ao amin’ny orinasa. Voatery mipetraka eny ivelany teo anoloan’ny vavadin’olona sady lalana ifamezivezen’ireo mponina ity fiarabe ity. Tapaka ny lalana, tsy afa-nivoaka ireo olona tokony hamonjy fiasana noho ny ny zava-nisy. Ny taxi-be tsy tonga hatrany amin’ny fiantsonanana farany noho ny fahatapahan-dalana. Tsy afa-na­noatra manoloana izany ny mponina na efa niezaka niteny tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa aza. Nilaza ho tsy mahafantatra na inona na inona momba ity raharaha ity ny teo anivon’ny fokontany. Tsy mbola nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny orinasa rahateo koa izy ireo, araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany. Tomponandrai-kitra iray ao amin’ny orinasa nilaza fa efa nahazo alalana izy ireo amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo ary efa fantatry ny fokontany.

J.C

Partager sur: