Mpitantana English Club miisa 26 avy ao Antsiranana no nahavita fiofanana notarihin’ny Dr Kathleen Malu, avy amin’ny William Paterson University ao Etazonia, ny faran’ny herinandro teo. Nokarakarain’ny masoivoho amerikanina ny fiofanana ary nizarana azy ireo ny torohay sy teknika mahomby amin’ny fitarihana sy fanentanana ny English Club.
Ankoatra ny fampahafantarana ny kolontsaina sy ny tantara amerikanina dia nianatra nampiasa karazana kilalaon-tsaina sy tahirin-kevitra entina mampianatra teny anglisy avokoa ireo mpandray anjara rehetra.
Manomboka eto, hampihatra ny fizarana any anivon’ny fikambanany avy izy 26 mianadahy ary heverina hitondra vokatra tsara ho an’ny mpianatra ny fahaizana mikirakira tahirin-kevitra. Manampy azy ireo hahatoky tena amin’ny fampianarana sy fitarihana ihany koa izany. Hatao manerana ny toerana misy English Club ny fampiofanana hanamafy ny traikefa sy fahaiza-manaon’ireo mpitantana. Efa nisitraka izany ny teto Antananarivo.
Tatiana A