Niatrana vao maraimbe tamin’ireo toerana samihafa teto an-drenivohitra, ireo mpitandro filaminana marobe, omaly. Voalaza fa ho fisorohana ny korontana ny anton’izany.
Samy nahitana ireo eo anivon’ny Emmo/Reg ny teny amin’ny kianjan’ny 13 mey sy ny teny Analakely. Ny teny amin’ny manodidina ny Magro Behoririka ary koa ny kianjan’Ambohijatovo, hatreny Ankatso. Miaraka amin’ny kamiao maromaro sy fiara 4×4 izy ireo amin’izany, ankoatra ireo andiany mivezivezy, miaraka amin’ny kibay mandeha misafo manerana ny tanàna. Voalaza fa noraisina izany fepetra izany noho ny amin’ny mety hisehoan’ny fanakorontanana, manoloana ny fivorivoriana politika tato ho ato.
Nambaran’ny eo anivon’ny prefektiora fa noraisina ny andraikitra noho ny feo
miely amin’ny fikasana hidina an-dalambe. Anisan’ny antony nanomezana baiko ny Emmo/Reg, miainga eo anivon’ny OMC hiatrana ny tsy nahatafiditra ireo kandidà sy depiote ary ireo vahoaka nikasa ny hivory teny amin’ny ISTS, Mandriamena, afakomaly. “Tafiditra amin’ny fisorohana ny korontana sy savorovoro mety hiseho izany. Eo koa anefa ny feo miely momba izany ka tsy maintsy noraisina ny fepetra rehetra”, hoy ny eo anivon’ny prefektiora.
Tsy nandray telefaonina…
Tsiahivina fa efa niantso ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, ny depiote “Del kely” afakomaly, nitaky fanazavana aminy, manoloana ny nanakanana azy ireo tsy hiditra teny amin-dry masera Mandriamena. “Tsy nandray telefaonina izy nefa fantany tsara aho”, hoy ity solombavambahoaka, avy amin’ny mpanohitra ity tamin’izany. Niainga amin’izany sy ny feo sy hatezerana teny an-toerana noho ny tsy naha raikitra ny fihaonana no nahatonga ny fanahiana ny mety ahatongavana hatramin’ny fidinana an-dalambe.
Synèse R.