Hanao fanambarana ny haha kandidà azy na tsia ny filoha Rajoelina, anio. Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina, Mahamasina izany ary hatrehin’ireo mpikatroka TGV, avy nanao kongresy sy ireo fikambanana na antoko politika hafa. Efa nanapaka ny hanolorana azy ho kandidà ny fihaonambe teny Ivato, omaly.
Kandidà nanatitra ny dosie tetsy amin’ny HCC, Ranaivojaona Sylvia. Natolotry ny Madagasikara lavorary sady mpanorina ny Perfect Madagascar. “Ilaina ny fanatanterahana ny fifidianana. Fohy ny fotoana raha mbola hanao fikaonandoha miaraka amin’ny FFKM”, hoy izy. Kandidà faha-17, nanatitra dosie kosa avy eo Rajaonarimampianina, nialohavan’ny kandidà, Ramanahaka Joseph.
Hanohy ny fanohanany ny filoha Rajoelina ny AKFM. Nambaran’ny filohan’ity antoko ity, Razanatoandro Solofo, omaly, fa efa nanohana ny fitondrana vonimboasary, nanomboka ny taona 2018 izy ireo. “Ilaina tohizana izany rehefa nandinika ny toe-draharaha tamin’ny kongresy izahay. Avelao hisafidy ny tiany ny vahoaka ary aoka isika tsy haka ny toeran’ny mpitsara momba ny zom- pirenena”, hoy izy.