Efa nampoizina. Tapaka tamin’ny kongresy nasionalin’ny TGV omaly, teny Ivato, fa ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry no hatolotra ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Hiakiaka sy horakoram-pifaliana ny nandraisan’ny rehetra izany, fanambarana izany. Niraisan’ireo mpizaika an’arivony hevitra niatrika izany fa tsy ampy ny fotoana tokony hitokanany ireo zava-bita. “Tahotra izany fampandrosoana entin’ny filoha izany izao tabataban’ny mpanohitrta etsy sy eroa izao ka ilazana fa tsy tokony hirotsaka intsony ny filoha”, hoy izy ireo. Samy naneho fahavononana amin’ny hampandaniana indray ny filoha Rajoelina hitantanana ny firenena ireo nandaha-teny tamin’izany. Voatsiahy tamin’izany ny herim-po sy saina ananan’ny filoha. Eo koa ny vina nahasoa sy ny tanjona napetrany ary efa an-dalam-pahavitany.
Na izany aza, anisan’ny niadiana hevitra sy nifampiresahana tany anivon’ny asam-baomiera ny momba ny fisokafan’ny antoko TGV amin’ny hafa. “Ilaina ny fanajana ny rafitra isan’ambaratongany na ekena aza fa tsy hanao ranon’Ikopa isika… Tsy azo ekena kosa anefa ny manao fiavin’ny tafara”, hoy ny TGV avy any Bongolava. Anisan’ny tsy levon’ny vavonin’ny sasany amin’izy ireo ny fieboebon’ireo tsy mba nitolona na koa tsy hita tabilao tamin’ny fotoan-tsarotra. Tsy azo ekena noho izany ireo mpijapy ny lamasinina, TGV.
Synèse R.