Fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto: masoivohon’ny Orange i Big MJ

Tontosa omaly, teny amin’ ny Redland Ankorondrano, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny mpanakanto i Big MJ sy ny Orange Madagascar. Samy hahazo tombony ao anatin’izao fifanarahana izao ny roa tonta. Masoivohon’ity orinasam-pifandraisana ity izany i Big MJ manomboka izao. « Tombony lehibe ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa sahala amin’izao, indrindra amin’ny fanatanterahana ny tetikasa maro kasaina ho atao”, hoy i Big MJ. Fiaraha-miasa mandritra ny herintaona, azo ha­vaozina, no nifanaovan’ny roa tonta. Ny fahombiazana sy ny fahafahana mifameno hanatrarana ny tanjona iombonana no anisan’ny nahatonga izao fiaraha-miasa izao. Ity orinasam-pifandraisana ity izay hahazo tombony amin’ny fampahafantaran’ity mpanakanto ity azy, amin’ny hetsika rehetra ataony, indrindra ato anatin’izao fankalazana ny faha-20 taonan’ny orinasa izao. Ny mpanakanto kosa izay nahazo mpanohana sy mpanosika, amin’ny tetikasany.
Maro ny tetikasan’i Big MJ amin’izao, ary misy ny efa eo an-dalam-panatanterahana. Goavana indrindra amin’izany ny “Big Sound Studio”. Vina ny ho “Studio” lehibe indrindra eto Madagasikara. “Efa vonona ny fitaovana sy ny toerana ary eny Ivato eny no hanaovana azy”, hoy i Big MJ. Mana­raka izany, ny rakikira “Merci”, ahitana hira 25 isa. Hitohy ary hisy hatrany ny fanohanana sy fikarohana mpanakanto sy talenta vaovao.

Lin

Partager sur: