Fikarakarana ny bileta tokana : amin’ny alatsinainy ny antsapaky ny laharan’ny kandidà

Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, ireo tetiandro manaraka amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Anisan’izany ny momba ny ho filaharan’ireo kandidà anatin’ny biletà tokana.

“Hotanterahina ny alatsinainy izao ny an­tsapaka ho an’ny laharan’ireo kandidà, amin’ny biletà tokana”, hoy izy, omaly, teny Alarobia. Nandray ireo solontenan’ny Frankofonia (OIF) ny tenany tamin’izany.
Notsindriny fa izany laharana amin’ny biletà tokany izany koa no hampiasain’ireo kandidà amin’ny fahazoana maneho hevitra amin’ny haino aman-jerin’ny fanjakana (TVM/RNM), amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao.
Mialoha izany anefa, hampahafantarin’ny Ceni amin’ny zoma ho avy izao ireo birao fandatsaham-bato manerana ny Nosy rehefa nofaranana tanteraka ny isan’izany. “Ta­fiditra amin’ny fametrahana ny mangarahara sy ny fifampi­tokisana izany”, hoy ihany izy. Homen’ny Ceni fahafaham-
po koa ireo mpisehatra politika sy ny fiarahamonim-pire­nena amin’ny fampahafantarana ny rejisitry ny lisi-pifidianana.

Efa nesorina ny “doublons”…

Efa mivoaka any amin’ny “site-web”-n’izy ireo izany, araka ny nambarany. Nante­riny koa fa efa nesorina ny “doublons”, araka ny efa na­nafatrafaran’ny Frankofonia (OIF). “Miisa 11 000 izany ary tsy betsaka… Nanao ny ezaka rehetra ny Ceni”, hoy izy.
Notsiahiviny koa ny amin’ny filazana vaovao diso sy tsy marina etsy sy eroa momba ny asan’izy ireo. Tsy ahitana tombontsoa izany ary efa miezaka amin’ny mangarahara ny Ceni, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Partager sur: