Tanterahina anio, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny valandresaka arahina adihevitra, mahakasika ny lamba teo amin’ny kolontsaina malagasy. Mbola tafiditra ao anatin’ny fampirantiana « Lamba forever » ity hetsika ity. Mpahay kanto mampiasa lamba amin’ny haikantony no handray anjara amin’izany valandresaka izany.
Mitohy hatrany ny fampirantiana “Lamba forever”. Mandravaka izany eny an-toerana ihany koa ny valandresaka arahina adihevitra, izay azon’ny rehetra atrehina. Ho an’ny anio, “Lamba vao, Ainga vao” ihany no lohahevitra horesahana ao. Mandray anjara ao anatin’izany i Sandra Ramiliarisoa sy Kevin Ramarohetra ary Nazario Tooj. Izy ireo izay samy mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny haikanto amin’ny lamba. Rina Ralay Ranaivo kosa no hitarika izany. Ny lamba eo amin’ny kolontsaina sy fomba malagasy no resahina amin’izany. Eo ihany koa ny ankehitriny sy taloha raha ny lamba manokana. Dinihina ao anatin’izany ny hasiny sy ny nampiasana azy tamin’ny andro taloha sy ny fanomezana hasina azy amin’izao fotoana izao.
Lin