Ao anatin’ny fihetsiketsehana amin’ny fifidianana tanteraka i Madagasikara. “Roso itoy, tsa mipody koa” ! Efa tafakatra 17 be izao ny olona nanatitra antontan-taratasiny teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly. Mihazakazaka ny mpanao politika na efa midangana dia midangana aza ilay anto-bola takina amin’izy ireo.
Ndeha hatao hoe tena tia tanindrazana sy vonona hitondra fampandrosoana higalabonan’ny mpiray firenena. Hatreto anefa, ny famakafakana azo atao dia milaza ny mifanohitra amin’izany. Misokajy efatra ireo kandidà. Misy ny zatra ny lalan-dririnina, be kajy amin’ny fanaovana mpikarama an’ady. Ilay mitady mpamatsy vola satria mba manana mpanara-dia azo amidy. Manodina ny vola azo avy eo.
Ny sokajy faharoa, ireo tena sady tsy manana olona no tsy manam-bola fa mahay milalao ilay hodidina misy. Manao izay fomba ahitana azy. Mivaro-tena mba hiakarana eny ambony latabatra fihinanana, raha tahiny ka mitsefotra ilay fifidianana. Maromaro izy ao ! Manaporofo izany ny kandidà zara fa nanatitra ampahany amin’ny antontan-taratasy ilaina. Efa mivonona ny ho fandavana avy amin’ny HCC.
Ny sokajy fahatelo, ireo manam-bola sy manana olona, fa mazava be ny herijika miiba ananany. Tsy ho lany velively na manao ezaka tahaka ny inona aza. Toy ny fomban’ny mpanao politika malagasy hatrizay. Mivarotra vato amin’ny fanambaran-kery amin’ny fihodinana faharoa, sitrany ahay mahazo tambiny.
Ny sokajy farany, dia ireo « henjana » izay manao lela roa amin’izao fotoana izao. Raha ny tsilian-tsofina heno, misy misababaka any ambadibadika any, manao izay hanavotany ny tenany. Na mandeha na tsy mandeha ny fifidianana, mahita ny lalan-kombany foana izy ireo. Ny mpiara-dia aminy no mety ho very any anaty kajy.
Samy mikendry tombontsoa manokana ireo fa tsy mijery ny an’ny besinimaro.
r.r