Mihorohoro i Toamasina : tovolahy iray hita faty notondrahana asidra

Hita faty tao Analamalotra, teo amoron-dranomasina, ny alatsinainy teo, ny vatana mangatsiak’i Zafalie Marie Orlove, 20 taona. Mpianatra lalàna taona faharoa ao amin’ ny Oniversite Barikadimy Toa­masina ity tovolahy niharam-boina ity. Razana efa simba novonoina tamin’ny fomba feno habibiana no hitan’ny olona teo amoron-dranomasina. Notondrahana asidra teo amin’ny lohany ka efa niraraka avokoa ny nofon-dohany sy ny tarehiny. Nafatotr’ireo nahavanon-doza tamin’ny vatany ny poketrany. Finday tsy azy akory no napetrak’ireo olon-dratsy teo akaikiny raha efa tsy hita tramin’ny fiandohan’ny septambra teo ny azy. Efa nanaovana fikarohana rahateo ny findainy very io, araka ny fanazavan’ny fianakaviany.
Manoloana izany, mihorohoro tanteraka ny mponina ao Toamasina tao anatin’ny herinandro izay. Mahazo vahana ny vonoan’olona miendrika valifaty.
Vao ny 26 aogositra lasa teo koa no hita faty tsy lavitra ity toerana ity ny tovolahy iray antsoina hoe Olivier. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana koa izy. Hatramin’ izao aloha na manao ny asany aza ny mpitandro filaminana, tsy fantatra mazava ireo tompon’antoka tamin’izao vo­noan’ olona mahatsiravina izao. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana no mamaritra ny marina rehetra ambadik’izao raharaha izao.

Sajo/J.C

Partager sur: