Niditra amin’ny andiany faharoa indray ny vaksiny miaro amin’ny aretina lefakozatra ho an’ny daholobe, nanomboka omaly ary haharitra hatramin’ny zoma izao, manerana ny Nosy. Nampidirina ho anisan’ny mpisitraka ny olon-dehibe satria hita tamin’ny fanadihadiana fa nisy olon-dehibe lasa nalemy tampoka vokatry ny fahazoany ny tsimokaretina «polyovirus». Vokatry ny fiparitahan’ny tay eny ankalamanjana ka mivarina amin’ny rano ampiasaina no mitarika ny fahazoan’ny aretina laka indray, ankoatra ny tsy fahavitan’ny ankizy madinika ny vaksiny fiarovana. Mitety trano ireo mpanao vaksiny miaraka amin’ny mpanentana ara-pahasalamana eny amin’ny fokontany. Efa nisy fanisana mialoha ireo olona hisitraka isan-trano izany ny herinandro lasa teo. Vaksiny atete indroa ao am-bava ary tsy atahorana hiteraka tranga hafa tsy ampoizina ny fanaovana azy, hoy ny mpitsabo.
Nisy nitaraina ireo mpiasa nanao ny vaksiny tamin’ny volana jolay lasa teo fa tsy mbola nisitraka ny karamany. Ireo tokony hahazo izany avy amin’ny «transfert monétaire» amin’ny finday no nisehoan’ny olana raha efa nisitraka ny karamany kosa ireo nandray vola mivantana. Tsy misy olana ny mpiasa hanao ny vaksiny fa vonona na eo aza izay olana teknika izay.
Vonjy