Seces sampana Antananarivo : “Fitakiana iray amin’ny sivy no nivaly”

Fampiharana ny fehin-kevitra tao anatin’ny filankevitra nasionaly natao ny volana jona lasa teo ny firosoana amin’ny fitakiana samihafa ho fangatahana ny hampiharana ny zo aman-kasin’ny mpampianatra.

Nanao hetsika miaraka amin’ny fanamiana ahafantarana azy ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, eny amin’ny oniversiten’An­tananarivo, omaly. Na teo aza ny fanambaran’ny Praimi­nisitra fa tokony hisy fitoniana sy filaminana anatin’ny fotoana hiandrasana ny fifidianana eto amintsika, naneho hevitra sy namerina ny fitakiany indray ny mpikambana ao amin’ny Seces sampana Antananarivo, omaly, teny Ankatso. «Roa volana no nanomboka ny fitakiana ary iray amin’ny sivy ihany no nivaly hatramin’izao», hoy ny fanambaran’ny filohan’ny Se­ces, ny profesora Raharinirina Sammy Grégoire. Famenoana ny karaman’ny mpampianatra an-tselika nandritra ny taom-pianarana 2018-2019, fandefasana ny vola hanefana ny vola ho an’ny mpandraharaha, ary fanondrotana ireo mpampianatra amin’ny «grade» to­kony hisy azy no vitan’ny fanjakana.

Tsy vonona hamaly ny fanjakana
Nangataka fihaonana ta­min’ny filohan’ny Repoblika ny mpampianatra fa tsy voaray mihitsy hatramin’izao ary tsy manam-piniavana hamaha ny olan’ny mpampianatra ny fanjakana. Te hamarana ny taom-pianarana 2022-2023 ny mpampianatra ary hiroso amin’ny fanadinana fa miankina amin’ny fanjakana avokoa izany. Miato aloha hatramin’izao ny fampianarana sy ny fikarohana, eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Ao anatin’ny faritry ny oniversite izy ireo no maneho hevitra sy mitokona, araka ny voafaritry ny lalàna ka manana ny rariny, hoy ny fanazavany. Nam­pahatsiahy koa ny Seces fa tsy mbola tonga ny vola fampihodinan-draharaha ho an’ny oniversiten’Antananarivo nefa ny taona hifarana ihany. Mangataka ny hijerena ireo tanin’ny oniversite bodoan’ny olona koa ny mpampianatra satria mahazo laka ity tranga ity.

Vonjy

Partager sur: