Nahazo ny laharana faharoa, tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, tany Arabia Saoudite, taranja Haltérophilie, sokajy -45 kg, Radafiarison Rosina, vehivavy atleta malagasy. Nahavita «pérformance» (77 kg arraché, 93 kg épaulé, jeté 170 kg total olympique) izy, tamin’ity fifanintsanana ity.
Hanomboka ny zoma 9 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja Rugby, lehilahy. Hanokatra ny lalao amin’izany, ny XV de la France mpampiantrano sy ny All Blacks, Nouvelle Zélande. Tsiahivina fa ny ekipan’ny Springboks Afrika Atsimo no tompondaka farany tamin’ny taona 2019.
Niverina ao amin’ny klioba Seville FC, Espaigne, i Sergio Ramos, espaniola vodilaharana. Marihina fa ny ekipan’ny Seville, misy mpilalao kalaza maro toan-dry Mariano Diaz, brezilianina lohalaharana sy ry Ivan Rakitic. Tsiahivina fa i Ramos, nilalao tao amin’ny klioban’ny Paris Saint-Germain France, teo aloha.
Raikitra ny fifandirana teo amin’i La Réunion sy ny Club M Maurice, omaly, teny Ivato. Nametraka fitoriana mahakasika izany moa ny ekipam-pirenena Maorisianina, ary efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, araka ny fikarohana natao. Tsiahivina fa tamin’ny fotoana nanolorana ny medaly teny Mahamasina, efa nifamaly ny ekipa roa tonta.