Miditra ny mpianatra. Na efa mahaliana ireo ray aman-dreny aza ny mahita ny zanany mianatra ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy any am-pianarana, mbola mavesatra ho azy ireo ny saram-pianarana natokana ho an’izany. Ny ankamaroany, miangavy amin’ny tomponandraikitry ny sekoly mba ho maimaimpoana ny fianarana azy ireo.
Mivelatra be sy efa zary mahazo sehatra lehibe ny kabary malagasy. Saika mitady mpikabary ny ankamaroan’ireo manatanteraka raharaha (soratra, mariazy, lanonana…). Na izany aza, mitombo manaraka izany koa ny mpikabary manadinodino ny hasina ananan’io kolontsaina io. Rakotra vazivazy sy hatsikana ny ranjan-kabary iray manontolo. Manjary ilay tompon-draharaha valaky ny hehy no atao ho tanjona.
“Revy milay, vazo miteny”. Tanterahina ny alahady 10 septambra 2023, eny Antsahamanitra ny fampisehoana iarahana amin’i Samoela sy Princio ary Rah Ckiky. “Revy milay, vazo miteny”, io no lohateny nampitondraina ity seho ity. Seho miavaka, manandratra ambony ny vazo miteny, no hampanantenain’ireto mpanakanto ireto ny mpankafy azy ireo.
“Festival Temps Fort Danse”. Fiakarana an-tsehatry ny Compagnie Lovatiana sy ny Yvann Alexandre, avy any Frantsa, miaraka amin’ny fanehoana ny horonantsary “Acteurs de la danse Actuelle A Madagascar”, no hameno ny fandaharam-potoanan’ny “Festival Temps Fort Danse”, eny amin’ny IFM Analakely. Ity hetsika ity izay tsy hifarana raha tsy ny 16 septambra 2023.