Telo taona ny VKMM : 60 mianadahy nosorana ho mpikabary

Vovonana sy kiadin’ny maha Malagasy (VKMM). Iray amin’ireo mametraka ho laharam-pahamehana ny fikoloana ny kolontsaina malagasy. Sehatra iasany voalohany ao anatin’izany ny kabary. Nisy ny vokatra…

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny fanosorana ho mpikabary ireo 60 mianadahy ao anatin’ny andia « Raitra » sy « Hasina ». Fotoana nanasongadinan’ny Vovonana kiadin’ny maha Malagasy (VKMM) ny asa no­tanterahiny sy ny andraikitra notanany tao anatin’izay telo taona nijoroany izay. Noporo­foin’ity vovonana ity tamin’io andro io ny niainan’ireo mpiofana ao aminy ilay tarigetra : « Ny teny manaitra, ny atao mahatarika ».
Valo volana niofanana. Ni­anarana ny kabary an-kasoavana, an-karatsiana, kabary am-panambadiana ho an’ny andia Raitra. Niompana tanteraka tamina fandalinana kosa ny andia « Hasina ». Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-pianarana ny fandalinana ny tantara sy ny fomba amam-panao. Ny fanentanana lanonana. Ny resaka teti-panorona amin’ny alalan’ny kabary na ny haifizaka. « Ilaina amin’ny fandalinana kabary ireo. Mila fantatra sy iainan’ny mpikabary ihany koa, satria, mamolavola ho olom-banona (fo sy saina ary vatana sy fanahy), izy ireo », hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny VKMM.

Hitohy ny fiofanana

Anisan’ny imasoan’ny VKMM ny hametrahana ny kabary malagasy eo amin’ny lanja aman-kasina tokony hisy azy. Iray amin’ireny ny fampahafantarana sy fampivelarana ny sehatra ivelaran’ny kabary. Hitohy tsy ho ela ny fampiofanana, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Marihina fa Rakotoarisoa Tsilavina sy i Andry Goly no ray mpiahy roa ho an’ny andia Hasina sy ny andia Raitra. Nandritra ity fotoana nanosorana mpikabary ity no nanatanterahina fanasaloran-damba ireo mpikambana raikitra eo anivon’ny vovonana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: