Mbola hitohy ve ny fampihaonan’ny FFKM? Manantena zavatra amin’ny fihaonana nasionalin’ny FFKM ny antoko UNND, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, i Manoro Régis. “Tokony hivoaka amin’izany ny fisorohana izay mety hisian’ny korontana”, hoy izy. Sorohina koa mba tsy hiverimberina ny korontana. Tsy maintsy mijery vahaolana lavitr’ezaka. Amin’izay, tsy miverimberina intsony ny krizy.
Tsy hivatravatra ny fomba fitenin’ny FFKM hoe hajanona aloha ny fifidianana. Misy dikany raha izay nolazain’ny filohan’ny FFKM hoe mandrodana sy manangana izay. Malaza izao fa hoe mety hisy krizy be eto atsy ho atsy. Mety ho tsaratsara kokoa, raha hamboarina aloha ny sehatra vao hatao ny fifidianana. Tsy fandavana fifidianana izany fa fifanarahana. Samy mahatsapa ny rehetra fa misy loza mitatao eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
“Miantso izahay mba tsy hisian’ny korontana mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana, tokony hisy ny fandaminana”, hoy ihany izy. Be dia be ny olana. Tsy mbola fantatra ny ateraky ny amin’ny zom-pirenen’ny filohan’ny Repoblika. Tsy matoky ny HCC sy ny Ceni ny olona. Olana ny lisi-pifidianana, ny biraom-pifidianana vao foronina… Ny dikany: raha hirosoana hatrany ny fifidianana, ahian-dry zareo ny mety hisian’ny korontana.
R. Nd.