Mampitaraina ny mponina sahady ny fahatapahan-jiro matetika. Lasibatra ny fihariana madinika, indrindra ireo miankin-doha amin’ny herinaratra. Mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ihany koa izany. Matahotra ny mpiara-belona manoloana ny asan-jiolahy isan-karazany.
Mpikambana 23 avy amina kaoperativa roa avy ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, misehatra amin’ny famokarana masomboly fambolem-bary, no nisitraka fiofanana mahakasika ny lalàna mifehy ny kaoperativa, ny fitantanana fikambanana ary ny fahaiza-mitarika, ny herinandro teo. Fiaraha-miasa amin’ny JICA ny nahafahana nanao izany.
Mamatsy vola ny fampiofanana ireo inspecteur de pêche miisa 20 ao Mahajanga ny tetikasa Swiofish2. Mampiofana azy ireo momba ny fanamoriana sambo haingam-pandeha kosa ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny APMF. Mizara roa ny fampianarana, ao ny fampiofanana an-tsoratra sy ny fampiharana an-dranomasina.
Tafatsangana ny orinasa kaoperativa Fitahianasoa ho mpamokatra voanjo sy voamaina matihanina ao amin’ny faritra Bongolava. Mpikambana ao ireo tantsaha avy ao Ambatobe Ferme any amin’ny kaominina ambanivohitra Belobàka, distrika Tsiroanomandidy.