Mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika telo lahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana teny ambanin’ny Arcade Analakely, ny faran’ny herinandro teo. Nanao fanamiana sivily, nisafo tampoka teny amin’iny faritra iny ny polisy. Nahita andian-jatovo nitangorona ka nanao fisavana. Nojerena ka tratra tamin’izany ny fitaovam-pitsindromana fampiasan’ireo tanora mpitsindrona. Tsy ampy taona ny roa tamin’ireo telo lahy tra-tehaka. Nentina hatao famotorana izy ireo. Efa mangana ny tsindrona ataony ny tanan’izy telo lahy ireto. Efa voatonontonona amin’ny resaka halatra koa ireto farany. Ankoatr’io, lehilahy iray mpangalatra finday koa sarona teny an-toerana. Miditra anaty tsena “boutique” mihitsy io mpandroba io. Alainy ny telefaonina amidy ka entiny mandositra. Ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no nahafahana nisambotra azy. Niampy iray ireo olona voasambotra. Lehilahy iray mpisoloky vola amin’ireny mpitsinjara vola amin’ny alalan’ny finday, Cash point, ireny koa no saron’ny polisy.
Tsiferana R.