Ceni: “Nitombo 1987 ny isan’ny biraom-pifidianana”

“Tsy tokony hisy izany biraom-pifidianana matoatoa izany”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny resaky ny mpisehatra politika sasany hoe misy biraom-pifidianana tsy mazava amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Tsy fahefan’ny Ceni ny mamorona na mampitombo ny isan’ny fokontany. Nitombo 1 987 ny isan’ny biraom-pifidianana manerana an’i Madagasikara. 27 375 izany amin’izao, raha 25 388 tamin’ny fifidianana kaominaly farany.

Tsy maintsy voatonta 60 andro mialoha ny datim-pifidianana kosa ny karatry ny mpifidy. Amin’ny 9 septambra ho avy izao no vita izany. Mba hahazoana manaparitaka azy haingana,  manomboka amin’ny 10 septambra. Olana hatrany ny vola, na be na kely no enti-miasa. Na izany aza, atao izay hahalavorary ny fifidianana, araka ny tokony ho izy sy ho mendrika ny firenena. Manana fanamby hanao fifidianana tsara rahateo ny Ceni. Ho hita eo raha tsara araka izay tian’ny Ceni hatao ny fifidianana, ary ho tsara araka izay andrasan’ny vahoaka aminy…

R Nd.

Partager sur: