Jiolahy roa indray saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’Isotry (CSP4) teny Andranomanalina sy Antohomadinika, omaly maraina. Malaza ratsy amin’ny fanendahana miaro fanafihana ireto jiolahy ireto. Fiaraha-miasa teo amin’ny polisy sy ny fokontany eny Andranomanalina sy Antohomadinika no nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto vao maraina. Nohamafisin’ny polisy rehateo fa jiolahy efa mpamerin-keloka izy roa lahy. Anisan’ireo olon-dratsy mpanendaka eny amin’iny faritra Andranomanalina sy ny manodidina iny ry zalahy ireto. Ireo olona hamonjy asa vao maraina sy tratra hariva no tena mitondra faisana. Matetika ahenoana olona miantso vonjy hatrany amin’izay andalovan’ireo jiolahy. Nandrasan’ny fokonolona izy ireo ka raikitra ny fifanenjehana. Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga haingana ny polisy. Nandritra ny famotorana azy ireo no nilazany fa efa mpamerin-keloka ikoizana amin’ny fanaovana sinto-mahery eo Isotry hatrany Andranomanalina sy Antohomadinika ry zalahy.
J.C