Fametraham-pialan’ny filoha: nangata-panazavana amin’ny HCC ny PM

Nangatahan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fanazavana amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny And. 46, andl 2, amin’ny Lalàmpanorenana, afakomaly. Voalaza amin’izany fa ny filohan’ny Repoblika am-perinasa izay mirotsa-kofidina amin’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblika dia mametra-pialana amin’ny toerany 60 andro alohan’ny hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Amin’izay anton-javatra izay, ny filohan’ny Antenimierandoholona no misahana ny anjara raharahan’ny filohan’ny Repoblika andavanandro mandra-panolorana ny fahefana amin’ny filoha vaovao.

Miroso amin’ny fampiharana izany ny fitondram-panjakana amin’izao firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina ho filohan’ny Repoblika izao, raha hankatoavin’ny HCC ny firotsahan-kofidiny. Mijanona amin’ny fampandehan-draharaha kosa ny asan’ny filohan’ny Antenimierandoholona amin’ny fisahanana ny raharahan’ny filohan’ny Repoblika, raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna. Tsy azony atao, ohatra, ny manendry olona, ny mandrava sy manova ny governemanta, ny mandrava ny Antenimierampirenena…

R. Nd.

Partager sur: