Nitondra fanazavana ny psychologue , Rajaonarivnyo Holitiana, mikasika ny fanomanan-tsaina tokony hatao amin’ny ankizy madinika vao hisantatra ny sekoly.
Mitaky fanomanana ara-tsaina mialoha be ny fampidirana ny ankizy madinika any amin’ny garabola, izay isantarany ny lakilasy. Manomboka eo no isarahany amin’ny ray aman-dreniny voalohany, ialany amin’ny tontolo mahazatra azy ary ihaonany amin’ny olona hafa tsy nahazatra azy, hoy ny psychologue cliniciennej, Rajaonarivony Holitiana.
Tokony ho resahina aminy matetika mialoha fa andeha hianatra isan’andro izy. Hazavaina aminy ny fahazarana tsy maintsy hataony manomboka eo. Zarina mifoha maraina, ampahafantarina azy ny olona maka sy manatitra azy.
Lazaina azy ny anaran’ny mpampianatra, hahazo namana maro izy any an-tsekoly, hilalao amin’ny ankizy… Raha azo atao ny mitondra azy mitsidika mialoha ny sekoly ianarany sy ny tontolo ivoarany ao dia tena tsara.
Ny tsara indrindra dia eo amin’ny faha-3 taona ny ankizy no alefa mianatra, hoy ny psychologue clinicienne, Rajaonarivony Holitiana. Eo no vonona handray ny fanabeazana sy ny fampianarana omena azy ny ankizy.
Tokony handeha tsikelikely ny fampianarana. Miankina amin’ny taonan’ny ankizy sy ny vatany ihany koa ny tolotra omena azy ara-tsaina. Ny vatana sy ny sain’ny zaza rahateo tsy mbola vonona avy hatrany handray zavatra mafy sy mavesatra.
Ny mpampianatra ihany koa tokony hivonona ara-tsaina handray ireo mpianatra madinika. Mila mamantatra mialoha ny mety hitranga ahafahana mifandray tsara amin’ny ankizy.
Samy manana ny maha izy azy ny mpianatra tsirairay ka tsy tokony hisy ny fampitahana satria tsy mitovy ny fivoaran’ny ankizy. Mila manana faharetana avokoa na ny mpampianatra na ny ray aman-dreny.
Tatiana A