Nampahafantatra tamin’ny fotoana farany, omaly hariva, ny depiote, i Masy Goulamaly fa nosintoniny ny filatsahan-kofidina tetsy amin’ny HCC, Ambohidahy. “Mampahafantatra ny vahoaka malagasy tsivakivolo, fa nataony noho ny fanamafisana ny sonia efa natao. Eo koa ny fanajako ny lalàna misy eto amin’ny firenena“, hoy izy. Nampahery ireo mpanohana rehetra ny tenany ary nampanantena fa mitohy ny lalana ho fanavotana ny firenena.
Tsiahivina fa efa mpikambana teo anivon’ny Kongresin’ny Tetezamita (CT), ny taona 2010 izy. Voafidy ho depioten’i Tsihombe (2014) ary mbola voafidy koa ny taona 2019 ka hatramin’izao. Filohan’ny vaomiera miralenta sy ny fampandrosoana eo anivon’ny Antenimierampirenena.
Ankoatra izany, filoha sady mpanorina ny fikambanana AMM ary masoivohon’ny “WIP pour Madagascar”. Filoha lefitry ny “Commission GEWAYD du FP Sadc”. Mpikambana eo anivon’ny vondrona na fikambanana iraisam-pirenena : OCDE, UIP, Fondation Mo.Ibrahim, Concordia, WPL.
Niova hevitra amin’ny fotoana farany anefa ny tenany izany izao amin’ity fifidianana ity.
Synèse R.