Indray mijery

Nanao fanambarana niraisana ny Fiombonan’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM), omaly. Fikambanana misy ireo sendikàn’ny mpiasam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina no mivondrona ao anatiny. Mipetraka ho arofanina ho an’ny fitondrana misy sy ny mpampiasa ny FSMM momba ny fanajana ireo zo aman-kasin’ny mpiasa rehetra.

Hiakatra ny maripana ambony indrindra amin’ny afovoantany sy ny tapany avaratry ny Nosy ato anatin’ny roa andro ho avy, fa hidina miandalana izany aorian’izay. Antonony amin’ny ankapobeny ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo fa manodidina ny fetran’ny OMS avokoa ny refy rehetra voaray.

Andro iraisam-piirenena ho an’ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ho an’ny olon-dehibe, rahampitso. Hisy ny varavarana misokatra ataon’ny tetikasa SMT rahampitso, mitohy ny sabotsy ao amin’ny fikambanana mpiara mamaky ny Baiboly, hampirantiana ireo asa vita mikasika ny fampianarana olon-dehibe.

 Ankizy malagasy 4 manana olana amin’ny fandrenesana, tezaina ao amin’ny Akanin’ny marenina 67Ha (AKAMA) no hampidirana fitaovam-pandrenesana ao amin’ny sofina anatiny na “implant cochléaire”. Hisy mpanabe hampianatra azy ireo amin’ny fanabeazam-boho ny fitenenana aorian’izany.

Partager sur: