Lany ny tapakila« Seho miavaka no hoentiko an-tsehatra », hoy i Niu Raza

Mpanakanto manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mandalo eto an-tanindrazana i Niu Raza. Hanatanteraka seho lehibe iray eto an-drenivohitra amin’ny faran’ny herinandro izao.

« Tsy mitovy daholo ny fampisehoana ataoko… Hiavaka ity amin’ny sabotsy 9 septambra, ao amin’ny CCEsca Antanimena ity… Misy ny mpandihy. Na izany aza, sady hihira aho no handihy ihany koa. Misy fanovana kely ny fandrindrana ny hira sasany… », hoy i Niu Raza, omaly, tetsy amin’ny Radisson Ambatonakanga, raha namintina ny mety ho endriky ny seho. Ampahany ihany ireo fa nanteriny ny fitondrany zava-baovao isaky ny manatanteraka seho tahaka izao.

Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana. I Melo no hanokatra ny sehatra sy hanatanteraka ny seho fizarana voalohany. Fizarana faharoa, hiditra i Niu Raza sy ny mpitendry zavamaneno ary ny mpandihy miaraka aminy. « Haharitra adiny 2 eo ho eo ny fampisehoana », hoy i Niu Raza.

Saika heno sy tsapa ao anatin’ny tononkiran’ity mpanakanto manana ny maha izy azy ity avokoa ny fihetseham-po rehetra. Anisan’izany ny hafaliana, alahelo, fanairana ny olona hijery ny zava-misy. Misy amin’izy ireo ny milamina fa ao koa ny gadona mihetsiketsika.

Namoaka ny rakikira « Immigrant »

Fantatra, omaly, ihany koa fa nandritra ity fandalovan’i Niu Raza eto an-tanindrazana ity no nanatontosany ny rakikira « Immigrant ». Rakikira faharoa ahenoina hira 17. « Mpifindra monina aho any Amerika. Misy hatrany ny fifamatorana eo amiko sy ny mpankafy. Fifamatorana eo amiko sy ny aty an-tanindrazana. Tantaran’olona roa mifanalavitra. Eo koa ireo lalana nodiaviko hatramin’izay. Ahenoina gadon-kira sy fiteny samihafa izy io », hoy i Niu Raza raha nilaza ny endriky ny « Immigrant » sy ireo hira ao anatiny.

Ny Studio 58 no mikarakara ity seho Niu Raza « Live exclusif » ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: