Lisi-pifidianana: « Efa nahitsy ireo lesoka », hoy ny OIF

Nifarana omaly ny dian’ny iraka manokan’ny « Organisation Internationale de la Francophonie » (OIF), teto Madagasikara. Fanaraha-maso ny momba ny fahalavorarian’ny zotram-pifidianana, indrindra amin’izao mialoha ny fifidianana izao, no tena anton’ny iraka. « Azo antoka ny lisi-pifidiana », hoy ireto iraka manokan’ny OIF ireto. Nanambara ihany koa izy ireo fa efa tontosan’ny Vaomiera manokana misahana ny fifidianana (CENI) avokoa ireo fanitsiana nentin’izy ireo nandritra ny iraka nataony teo aloha.

Taorian’ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny lisi-pifidianana nataon’ny manam-pahaizana manokana avy amin’ny OIF, ny fihaonana tamin’ny CENI, ny fihainoana  ny mpisehatra politika maro. Nanao ny tatitra sy nanambara ny iraka manokan’ny OIF fa azo antoka ny lisi-pifidianana ary azo tanterahina ny fifidianana. Raha tsiahivina, iraka fanindroany iny nifarana omaly iny. Nandritra ny tatitry ny iraka voalohany no nilazan’izy ireo ny tsy fanekeny ny lisi-pifidianana noho ny fisian’ny olona maro tsy tafiditra sy ny tsy fahafahan’ny rehetra mijery izany lisi-pifidianana izany. Tsy mankasitraka ary tsy manaiky ny hisian’ny fifidianana raha tsy ahintsin’ny CENI io lisitra io, ary ho afaka hijery izany avokoa ny olom-pirenena, amin’ny fomba maro samihafa.

Lin

Partager sur: