Ahina ho nisy namono ny raim-pianakaviana, monina eny Ambanidia. Hita faty niaraka tamin’ny tariby na fil teo amin’ny tendany izy, omaly.
Nahitana faty olona tetsy Miandrarivo Ambanidia, omaly atoandro. Raim-pianakaviana iray monina tsy lavitra teny ihany ity namoy ny ainy tao anaty lobolobo ity. “Efa tsy nody hatramin’ny talata hariva izy” araka ny nambaran’ny zanany vavy. Niezaka niantso azy ny fianakaviany saingy maneno fotsiny ny finday. Mpandeha sendra nandalo no nahare feona finday naneno. Niezaka nijery izany ny fokonolona kinanjo hita nitsitra anaty kirihitra ny raim-pianakaviana iray. Niantso ny manam-pahefana sy ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany ireo nanatri-maso. Natao ny fizahana ny razana. Hita nisy fatorana tamin’ny tariby an-jiro ny tendan’io lehilahy namoy ny ainy io. Nampiahiahy ny fianakaviany ny fahitana ny havan’izy ireo namoy ny ainy izao. Tsy nisy nipika teny amin’io raim-pianakaviana io ny fitaovany toy ny telefaonina sy ny kitapo. Nahitana fivontosana koa ny tanan’io namoy ny ainy io. Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany ny polisy. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Tsiahivina, nahitana fatim-behivavy iray nihohoka tao anaty rano koa teny Analamahitsy, afakomaly. Mpandalo ihany koa no nahatsikaritra azy. Miroso amin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.