Ny dadatoany ihany no nahavita fihetsika mamoafady tamin’ny zanak’anabaviny vao 2 taona monja tao amin’ny fokontany Anjiabe, kaominina ambanivohitr’i Vanono, distrikan’i Mananara Avaratra. Ny 24 aogositra 2023 teo no nitrangan’ity raharaha ity. Lasa nandeha nitondra varotra mitety tanàna ny renin’ilay ankizy ka napetrany tamin’ny anadahiny io zanany niharam-boina io. Efa tsy manambady rahateo ity anabaviny ity ka tsy misy hipetrahan-janany. Nampisotroin’i Melien, dadatoany, toaka gasy ity ankizivavy kely ity. Nanamparany ny filan-dratsiny amin’izay rehefa hitany fa mamo tanteraka. Simba tanteraka ilay ankizivavy. Ny 28 aogositra, tonga ny reniny naka an-janany. Notantarain’ilay niharam-boina tamin-dreniny avokoa ny herisetra nahazo azy. Nentina tao amin’ny hopitaliben’i Mananara ka voaporofo ny fahasimbany. Tsy niandry ela fa nametraka fitoriana avy hatrany ny reniny. An-dalana hisambotra azy ny zandary amin’izao fotoana izao satria roa andro vao tonga raha ho any Anjiabe. Fantatra fa marisarisa tanteraka momba ny tsy fandriampahalemana i Mananara Avaratra amin’izao fotoana izao. Isan’izany ny vonoan’olona, ny vaky trano, ny fanolanana. Ny toy izao koa anefa no tena mampirongatra ny fitsaram-bahoaka ao an-toerana.
Sajo