Nirhy-Lanto 100 taona: nifarana omaly ny hetsika fampahafantarana

Tontosa omaly, teny amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny fampirantiana fampahafantarana ny momba an’i Nirhy Lanto, poeta. Ny avy eo anivon’ny Tranombokim-pirenena, miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nikarakara ny hetsika,  tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taona nahaterahan’ity andrarezin’ny haisoratra malagasy ity. Ny hetsika fampahafantarana ity mpanoratra ity no nifarana fa ny rantin-tsary eny amin’ny Trano Sary Ambohidahy kosa mitohy hatrany.

“Ho an’ny tanindrazana, ho an’ny tenindrazana”, io no lohahevitra nampitondrain’ny taranak’i Nirhy Lanto, izao fankalazana ny faha-100 taona nahaterahany izao. Rakotonindrina Charles Victor no tena anarany, Poeta nanana ny naha izy azy ary anisan’ireo haisoratra nisongadina ny asa sorany. Anisan’ny tena nampiavaka azy ny fandalàny ny teny malagasy, tamin’ny alalan’ny foto-kevitra “Ho an’ny tenindrazana”. Ankoatra izay, tarakevitra noventsoiny tanatin’ny asa sorany ny lafitsaram-piainana, ny tontolon’ny finoana, ny hakanton’ny tanindrazana sy ny manodidina izany.

Mpanao gazety ihany koa izy, ankoatry ny maha poeta azy. Nampisongadina azy ilay matoan-dahatsoratra hoe “Foly landy tohizan-drofia” fahiny tao amin’ny gazety an-tsoratra “Malagasy”.

Lin

Partager sur: