Nambaran’ny filoha mitarika ny RCR/Tolona, Razafiarison Laza fa tsy nandrotsaka kandidà indray izy ireo. “Haverina 100% ny vola efa voaray ary iantohana ny saram-pandefasana izany. Averina koa ireo vola tany amin’ny banky”, hoy izy, omaly… Niaiky ny tenany fa mbola betsaka ny vola ilaina hanatanterahana ny fampielezan-kevitra… Nankasitrahany anefa ireo natoky azy sy ny ekipany tamin’izany. Nialany tsiny ho an’ireo nanantena noho ny teo an-tanana tsy afahana mitondra any amin’ny fandresena. Nankahery ireo mpikambana namany fa tsy hanao sorona azy ireo ny tenany. “Efa hita fa maloto ny fanomanana ary voahitsaka ny lalàna amin’ny fanekena kandidà, tsy manana zom-pirenena malagasy nefa hikiry hilomano anaty rano maloto“, hoy izy. Nanteriny fa mitohy ny tolona ho amin’ny fanovana rafitra. Mbola betsaka lavitra ny vola ilaina hanatanterahana ny fampielezan-kevitra sy ny sisa marobe notanisain’izy ireo. Nohitsiny fa tsy madio ary efa hita miharihary ny tontolon’ny fifidianana, tsy madio. “Kandidàm-panjakana manitsaka lalàna tsotra izao“, hoy ihany izy. Mazava koa anefa ny toromarika ho azy ireo fa tsy hanohana kandidà satria tsy misy milaza ny hanova rafitra ireo mpilatsaka hofidina rehetra ireo.
Synèse R.