Solonomenjanahary Aristide: “Tsy vahaolana ny fanemorana ny fifidianana”

Hanao ahoana ny fiatrehana sy fanatanterahana fifidianana amin’izao? Tsy vahaolana ny fihemorana, raha ny fijerin’ny filohan’ny ONG Taheza, i Solonomenjanahary Aristide. Fanehoan-kevitra…

“Tsy vahaolana ny fanemorana ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny ONG Taheza any amin’ny faritra Anosy, i Solonomenjanahary Aristide, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao. Ao anatin’ny zotram-pifidianana izao, inona ny mbola hanemorana ny fifidianana? Tokony hifanatona ny mpanao politika, ny antoko, ny kandidà: inona no hanatsarana ny fanatanterahana ny fifidianana? Eo koa ny amin’izay hisorohana ny korontana amin’izany.

Ny mpanao politika no manao fitaovana ny FFKM amin’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Na ny eo anivon’ny FFKM aza, tsy sahy milaza hoe mila hahemotra, ohatra, ny fifidianana. Ny mpanao politika no manao azy ireo ho fitaovana hisian’ny fitondrana Tetezamita. Nefa tsy vahaolana izay. Aoka mba tsy hanaiky na hety hatao fitaovana politika,  fa hijery ny tombontsoa iombonana sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena… Naninona ry zareo no tsy nihetsika sy tsy niteny hatramin’izay, raha vao nanomboka, ohatra, ny zotram-pifidianana? Fa tsy efa ao anatin’ny zotram-pifidianana vao mitady izay hanemorana izany amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany.

Efa vonona hiatrika fifidianana ny olom-pirenena any ifotony

Raha ny olom-pirenena any ifotony, eny anivon’ny faritra, ohatra, efa vonona hiatrika izay fifidianana izay, raha ny fahitany azy. Tsy ao an-tsain’ny olom-pirenena any izany hoe hihemoran’ny fifidianana izany. Efa mandeha ny fanentanana sy fampahafantarana ny tetiandrom-pifidianana. Manentana ny olom-pirenena hiroso amin’izay fanatanterahana fifidianana izay, fa tsy horebireben’ny mpanao politika etsy sy eroa hoe hihemotra izany. “Tsotra ny hafatra na ho an’ny FFKM na ny mpanao politika: efa ao anatin’ny zotram-pifidianana isika amin’izao fotoana izao, tsy vahaolana intsony ny hanemorana ny fifidianana. Aoka ny FFKM tsy hanaiky horebireben’ny mpanao politika, fa ny vahoaka kristianina no jereo”, hoy izy. Miala amin’ny ara-dalàna sy ny ara-drariny ny firenena, raha miditra amina fitondrana Tetezamita. Sanatria, tsy hifandany andro amin’izany indray.

R. Nd.

Partager sur: