Notanterahina tany Tanambe, nanomboka omaly, ny fanofanana ireo mpanazatra « pass it back » ho an’ny taranja, rugby. Izy ireo dia voafantina nandritra ny hetsika fandraisana mpanazatra notontosaina ny volana jolay lasa teo. Marihina fa miisa 14 ny mpanazatra hanaraka ity fiofanana mandritra ny efatr’andro ity.
Notoloran’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, fankasitrahana i Ronaldo Jojoline, Malagasy mpanentana nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023. Marihina fa ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahatena, Haja André Resampa, no nisolotena ny filoha nanolotra io fankasitrahana io.
Hotanterahina anio, any Parc de Princes, ny fihaonan’i France sy i Irlande, ny taranja baolina kitra. Marihina fa tafiditra anaty ny lalao hiakarana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, ity lalao ity. Tsiahivina fa ny les Bleus France no mitarika ao amin’ny vondrona “B” amin’izao fotoana izao.
Tafiditra anaty lisitr’ireo mpilalao hiatrika ny lalao “Champions League 2023” amin’ity taona ity, i Kipembe sy Keylor Navas, mpilalao roa Paris Saint-Germain (PSG), klioba frantsay. Araka ny fikarohana natao omaly, tsy tazana anatin’ity lisitra ity i Marco Veratti sy Etikite. Marihina fa ny PSG, nahazo mpanazatra vaovao, teratany espaniola, Luis Henrique.