Vaovao tambatra

Manomboka androany, etsy anoloan’ny  Lapan’ny tanàna Analakely ny hetsika Anjara hetrako. Toy ny mitovy tany amin’ny faritra, tsy miova ny taratasy ilaina rehetra. Mila manana dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena, fanamarinam-ponenana ary vola 16 000Ar ny tsirairay. Vita eo no ho eo ihany ny karatry ny mpandoa hetra.

Mihoatra ny 60 ireo handray anjara amin’ny hetsika “Festikite Madagascar”, andiany faharoa. Manomboka androany ka hatramin’ny alahady izao ity hetsika atao any amin’ny helodranomasin’i Sakalava ao Antsiranana. Maro ny taranja handrafitra ny hetsika toy ny Kitesurf Slalom misokatra ho an’ny lehilahy sy vehivavy ary ny ankizy, ny Kitesurf Big Air sy Windsurf Slalom ary Wing foil Slalom.

Nanolotra fampitaovana ho an’ny biraon’ny tahirimbolam-panjakana manerana ny Nosy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, omaly. Solosaina miisa 373 sy imprimantes  150 ary onduleurs 60 ireo nomena ny biraon’ny mpitana bokim-bola ambony. Sambany nisitraka fampitaovana faobe toy izao ireo birao ireo.

Mitohy ny fampiofanana ho an’ny fanamafisana ny fahaiza-manao momba ny famokarana anatirano. Nisy ny fampiofanana amin’ny fanatavezana Tilapia natao Brickaville sy Toamasina nanomboka ny herinandro teo. Niara-nisalahy nanao izany ny TDE sy ny “Kentia Formation”. Hetsika vatsin’ny tetikasa « Aquaculture durable à Madagascar » sy ny GIZ ara-bola.

 

Partager sur: