Efa nigadra teny Antanimora: maty rotiky ny balan’ny polisy Raliva Be

Lavon’ny balan’ny polisy nandritra ny fifanenjehana teny 67 ha, omaly alina, Raliva Be. Jiolahy ikoizana amin’ny fanafihana izy ity… 

Nihorohoro ny mponina teny 67 ha sy ny manodidina nandritra ny fanenjehana an-dRaliva Be. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) no nifanehatra tamin’ireo jiolahy. Tany anaty elakela-trano no nifanehatra tamin’ny polisy ity jiolahy ity sy ny namany niaraka tamin’ny antsy lava. Nandositra avy hatrany ry zalahy raha vao nahatazana ny polisy. Raikitra teo ny fifanenjehana ka nikasa hamely ireo polisy tamin’ny antsy lava teny an-tanany Raliva Be no voatifitra teo amin’ny kibony sy ny lamosiny. Maty tsy tra-drano ity jiolahy gagilahy ity. Tafaporitsaka kosa ny namany. Voalaza fa manao andiany izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny ka ireo mandeha alina any an’elakela-trano no lasibatra.

Mpanafika Cash point…

Jiolahy raindahiny malaza ratsy amin’ny fanafihana Cash point eto an-drenivohitra Raliva Be sy ny namany. Ao anatina fikambanan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika izy, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisy. Efa indroa namita sazy teny amin’ny fonjan’Antanimora izy, saingy miverina manohy ny asa ratsiny hatrany isaky ny mivoaka ny fonja. Ny 29 aogositra 2023 teo, nanao fanafihana teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo 67 izy sy ny namany. Olona iray maty voatifitr’ireo raha iray hafa naratra mafy. Eo am-pikarohana ny naman-dRaliva Be ny polisy amin’izao. Anisan’ny toerana ahitana trangana tsy fandriampahalemana matetika eo 67 ha sy ny manodidina. Toerana ifamezivezen’olona maro rahateo amin’iny faritra iny. Eo koa ny fisian’ireo olona tratra hariva eo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be ka mampirongatra ny asan-jiolahy.

J.C

Partager sur: