Maro ireo tranga mety hahatonga ny aretina Alzheimer aloha loatra ka mila tandremana. Misy ny fitiliana ny fitadidiana ahafantarana ny mety mampiahiahy.
Mbola ao anatin’ny iray volana ho an’ny aretina Alzeimer mandritra ity septambra ity. Nampahafantatra ireo karazana tranga mandrisika ity aretina ity indray ny fikambanana Masoandro Mody, tamin’ity herinandro ity.
Anisan’izany ny fifohana sigara izay voaporofo fa manimba haingana kokoa ny lalandra sy ny selan’ny atidoha ka izany no mety hitarika amin’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy. Eo koa ny tsy fahampiana torimaso izay maha osa ny fitadidiana sy ny fifantohana. Mila alamina ny torimaso mikorontana mba handrindrana ny fahasalamana manontolo mihitsy.
Ankoatra ireo ny fisotroan-toaka, ny rivotra maloto…
Fa anisan’ny mampahosa haingana ny fitadidiana ka mitondra haingana amin’ny aretina Alzheimer koa ny karazan’aretina toy ny fikorontanan’ny siramamy na ny diabeta, ny fikorontanan’ny tosidra, ny hatavezana, ny ratra amin’ny loha na ny dona mafy mety mahazo ny loha…
Eo koa anefa ny mety ho tsy fahampian’ny fifandraisana amin’ny fiarahamonina, ny fihenan’ny fandrenesana, ny tsy fahampiana fianarana…
Azo atao, araka izany, ny misoroka ny aretina tsy ho tonga aloha loatra raha vita ny mandamina ny andavanandrom-piainana sy ireo karazan’aretina mety hitarika azy.
Mila miezaka mahafantatra ny tranga mandrisika ny aretina mba hitandremana sy hialàna aloha araka izay azo atao.
Ny fikambanana Masoandro Mody moa dia manao fitiliana ny fitadidiana ny 21 septambra izao mba ahitana raha sendra misy mampiahiahy.
Hisy ny torolalana omena amin’ny dingana tokony hatao raha sendra ka misy ny mampiahiahy.
Tatiana A